Teleferika Soarano Ivandry

Mametraka ireo andrim-by be roa hanodinana ireo fitaovana


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Vita avokoa ny fototra « partie en béton » hanodina ny « appareil » 02 mampitohy

an’ny Soarano sy Ivandry, mandeha ny fametrahana ny tsangam-by goavana, hoy ny serasera mikasika ny fanatanterahana ny tetikasa teleferika omaly 17 janoary 2024. Ny P2 tsangamby faharoa lava indrindra amin'ireo tsangam-by goavana 51 amin’ny zotra volomboasary no eo Antanimena izay mirefy 42m. Taorian’ny fametrahana ny « fût métallique », nipetraka ihany koa ireo kojakoja sy fampitaovana rehetra (tête de pylône sy balancier) izay nanaraka ny fenitra fiarovana hatrany, hoy ny tatitra. Ny volana aogositra nanatanterahana ny lalaon’ny Nosy moa no nambara fa hampiasana ny teleferika voalohany, saingy tsy tanteraka. Amin’ity taona ity no nambara fa hitokanana azy. Ity tetikasa ity, izay vola hatrany amin’ny 153 tapitrisa dolara na 770 miliara Ar any ho any no nantontona amin’izy io, izay trosa no ankamaroany. Zava-dehibe ny fanatanterahana azy fa moa tena io ve ny laharam-pahamehana ? Isan’ny nanao izay fanamarihana izay ny depioten’Ikongo sady Filoha lefitry ny antenimierampirenena izay lany tamin’ny IRD fa ny làlana mampifandray ireo distrika aloha no maika kokoa, saingy nenjehin’ny fitondrana fatratra, ka anisany namaly azy i Andry Rajoelina. Efa naman’ny vita io izany ny teleferika izay nambara fa hotokanana amin’ity taona ity. Tena natao ho an’ny sarambabem-bahoaka ve anefa eo anatrehan’ny hoe : saran-dàlan’ny taksibe 600Ar izay misy ambana fa mety hiakatra aza mampikolay ny vahoaka ? Manodidina ny 4000Ar ny saran’ny teleferika, 8000Ar izany mandroso sy miverina, 40000Ar ao anatin’ny 5 andro hiasana anatin’ny herinandro, 160000Ar ao anatin’ny iray volana,… Zakan’ny fahefa-mividin’ny besinimaro ve izany ? Raha atao hoe : vonjy poritra tahaka ireo fitaterana hafa toy ny taxi sy taxi-moto indray, dia midika fa tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka. Efa io moa no nampisisika ny mpitondra dia ho hita eo ny tohiny ka asa hoe : mba hivoatra araka ity endrika ivelany amin’ny teleferika ity ve Antananarivo sa mbola hotazanina avy eny amboniny eny ny fako sy ny fikorontanana samihafa ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT