Teleferika petatoko sa fisintonana saim-bahoaka ?

« Narary ny mpanamory dia nihitsoka, nimonomonona ny mpandeha…»


  • Talata 19 Aogositra 2025

Nimonomonona sy tezitra ny mpandeha noho ny fanelingelenana tampoka

tamin’ny teleferika omaly tolakandro, raha ny serasera nivoaka. Nosokafana vonjimaika ny faran’ny herinandro teo, saingy omaly izany, dia voalaza fa nisy olana sahady ny zotra mampifandray an’i Soarano sy Ivandry. Nikatso tsy niasa nanomboka tamin’ny 15 ora, na dia voalaza aza fa nisy filaharana lava tao amin’ny fihantsonana Ankorondrano. Araka ny fanazavan’ny Sekretera lefitra misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH), dia olana ara-pahasalamana nahazo ny iray tamin’ireo mpanamory na « conducteur » no antony. Tsy afaka niantoka ny fanaraha-maso ara-teknika amin’io lalana io ilay mpanamory, ka voatery nampiatoana ny serivisy. Nitaraina ny mpandeha fa tsy nahazo fampahafantarana mialoha, ka nijanona sy niandry ela tsy nisy antony. Maro no nilaza fa mety ho voavaha ny olana raha nisy fampitam-baovao ara-potoana. Amin’ny lafiny iray, endrika maneho sahady izany fa tsy voafehy ilay teleferika, tsy matihanina ny fampiodinana azy. Mbola resaka hafa ny hoe : ahoana marina ny angovo manodina an’io ? Taloha mantsy nolazaina fa milina manokana mety handany 20000litatra isan’andro, taty aoriana nolazaina fa handeha amin’ny herin’ny masoandro, dia vao tsy ela indray nolazaina indray fa milina manokana mandeha gazoala,… Hahaleo ny sarany ve ny vidiny ? Iza no hitantana azy satria raha ny lojika dia koperativa na sehatra tsy miankina ? Amin’ny lafiny iray dia mety sinema ihany koa itony lazaina fa olana nitranga itony mba hilazana fa be mpitaingina sy tena ilain’ny vahoaka ity teleferika izay hibabena trosabe hatrany amin’ny 152 tapitrisa dolara na 800 miliara latsaka kely kanefa ny làlana manerana ny Nosy tapitra potika ka miteraka fatiantoka ara-toekarena kanefa tsy voajery,…
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT