Hampiasaina mandritra ny fihaonamben’ny vondrona SADC izay atao eto Antanananarivo
amin'ny herinnndro ho avy io ny telleferika zotra Anosy-Ambatoobe. ary mbola azon’ny olona ampiasaina mandritry ny 2 hatramin’ny 4 volana mialoha ny tena anokanana azy. MIHEMOTRA LAVA Tsara ho marihina 2 taona (taona 2023) lasa izay dia efa nambara fa hoe hitaterana olona mandritra ny lalaon'ny nosy ny teleferika. Ny volana jona 2024 dia nisy andrana natao indray ary nampanantenaina fa hoe hisokayra ho an'ny daholobe ny fitaterana. Tapitra ihany ny taona 2024 fa tsy nisy izany. Tamin'ity taona ity dia nolazaina indray fa hoe hiasa mialohan'ny 26 jona saingy tsisy fitaterana mpandeha natao izany fa mikorisarisa mandeha "vide" ireo teleferika Anosy - Ankorondrano. Efa mahazavtra ihany tamin'ity fitondrana Rajoelina ity moa ny tetikasa mitarazoka sy mihemotra lava toa ny teleferika, train urbain, autoroute, flyover, Tanamasoandro..na manjavona fotsiny tsotra izao toa ny orinasa Pharmalagasy mpanao fanafody ny ny Gasycar hoe hanamboatra fiara sy moto. Ny sehoseho sy serasera mipoapoaka fa ny tena asa mihisatra be. Tsy mahagaga raha lasa Madagasikara tsy mety mandroso ny eto. TROSA MISAVOVONA Tsy herinaratry ny Jirama moa fa hoe "groupe electrogene" mitokana mihitsy no mamatsy herinaratra ny teleferika, dia vola masonkarena ambonin'ny vola be notrosaina tamin'ny frantsay nanaovana ity tetikasa tsy mety mandeha tsara ity izany aloha. Tsiahivina fa 152 tapitrisa euros no notrosain'ny fanjakana malagasy tamin'ny Sociéyé Gérnérale sy ny Etanlissement financier Natixis izay miasa amin'ny anaran'ny governemanta frantsay.Manodidina ny 60 miliara ariary isan-taona ny trosa tsy maintsy efain'i Madagasikara. Raha ny tombana tany am-boalohany dia 4000 ariary ny saran-dalana ka miasa eo amin'ny 12 ka hatramin'ny 15 taona eo ireo tekeferika vao mahavelotena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.