Teleferika manahirana ny Fanjakana

Rajoelina no hanapaka an’izay orinasa hampiodina azy


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Ao anatin’ny fametrahana ny rafitra ny fandidiana hitrandraka ny teleferika na ny TPC Antananarivo

ny Fanjakana Rajoelina. Io no hiandraikitra ny fitantanana sy fikojakojana ny fotodrafitrasa rehetra. Taorian'ny antso tolo-bidy iraisam-pirenena tamin'ny volana novambra 2023 nataon'ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana, tolo-kevitra roa avy amin'ny vondrona kandida no voaray ary eo am-panadinana, raha ny vaovao hita omaly. Satria tetikasan’ny filoham-pirenena ny TPC, ny tatitra momba ny fanadihadiana dia hatolotra ny Filohan’ny Repoblika mba hanomezany hevitra farany momba ny fisafidianana ny mpiara-miasa hitrandraka ity teleferika ity. Ny andrana fampandehanana ny fitaovana voalohany miainga eo Anosy hatreo Soarano amin'ny zotra volomboasary dia iny efa nambaran’ny Fanjakana fa nahomby iny. Ankoatra izany, ny asa mifandraika amin'ny fitaovana faharoa, dia eo am-panatanterahana ary antenaina ho vita amin'ny fiandohan'ny taona 2025, raha ny seraseram-panjakana. Herinandro lasa izay raha tsiahivina no nitateran’ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence fa tsy nanaiky ny hanao tohana ara-bola na « subvention » hampiodinana ny teleferika ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nambaran’io fampahalalam-baovao io anefa, fa sarotra ny hampiodina an’io tsy misy tohana ara-bola satria tsy haharakotra ny fandaniana ny tamberiny avy amin’ny vidin’ny tapakila. Ny trosa misavovona 153 tapitrisa euros na 800 miliara latsaka eo anefa no tsy maintsy hefaina, izay manodidina ny 60 miliara Ar isan-taona mandritra ny 12 taona. Dia mbola mipetraka hatrany ny fanontaniana hoe : tena tetikasa mahomby mamaha ny olan’ny fitaterana tokoa ve izy ity sa tetikasa nampidi-kizo sy miteraka trosa manandevo ny firenena ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT