Ny teleferika eto Antananarivo, izay nambara ho mariky ny fandrosoana sy ny fitaterana
maoderina, dia lasa lohahevitra mafana amin’ny adihevitra ara-politika sy ara-tsosialy. Raha tokony ho vahaolana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy fanatsarana ny fiainan’ny mponina araka ny filazan’ny mpitondra, dia lasa porofon’ny fitantanana fitadiavam-boninahitra sy nefa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy marina. Araka ny fanambaran’ny fanoherana miantefa amin’ny Filoha ankehitrihy Andry Rajoelina, misy fahabangana lehibe sy fifanoheran-kevitra goavana 3 mikasika ny tetikasa : angovo, toekarena ary sosialy. Voalohany, amin’ny lafiny angovo, dia mampanahy ny fandaniana solika amin’ny fampiodinana. « Araka ny fanambaran’ireo minisitrao: mandany 100 ka hatramin’ny 150 litatra isaky ny ora isaky ny groupe électrogène ny gara lehibe, ka mety hahatratra 1 800 litatra isan’andro. Raha 1 euro ny litatra, dia mitentina 9,2 tapitrisa Ar isan’andro, 54 000 euros na 282 tapitrisa Ar ep isam-bolana ho an’ny solika fotsiny, ary mety hiakatra ho 162 000 euros na 844 tapitrisa isam-bolana raha ampitomboina ho 12 ora isan’andro ny asa. », hoy ny mpanohitra. Ity fandaniana ity dia miteraka 720 taonina CO₂ isam-bolana, mitovy amin’ny entona avoakan’ny fiara 150 mandritra ny taona iray. Tetikasa lazaina fa maharitra, nefa miankina amin’ny solika avy any ivelany, zava-misy mifanohitra tanteraka amin’ny filàna angovo madio sy azo havaozina. Faharoa, amin’ny lafiny toekarena, dia mampanontany tena ny lanjan’ny vola lany amin’ny fampiodinana. Ny vola atontona amin’ny teleferika isam-bolana dia mitovy amin’ny karaman’ny mpampianatra ambaratonga voalohany 1 200, na sakafo an-tsekoly 1,5 tapitrisa. Ao amin’ny firenena iray izay efa manome fanampiana 250 tapitrisa euros ho an’ny JIRAMA isan-taona, dia tsy inona fa fandaniana fanampiny tsy voafehy ity teleferika ity, hoy hatrany ny fanoherana. Mivaivay ny tsikera manatsikafona fa tsy misy modely ara-toekarena mazava manome antoka fa hahazo tombony na hanampy amin’ny fanatsarana ny toe-bola nasionaly ity teleferika ity. Fahatelo, amin’ny lafiny sosialy, dia mitaraina ny mpampiasa fa tsy ampy sy sarotra idirana ny tolotra. Amin’izao fotoana izao, 4 ora monja isan’andro no fiasan’ny teleferika, ka tsy mahafeno ny filan’ny vahoaka amin’ny fitaterana akory, tsy manamaivana ny fahasahiranan’ny mponina, ka lasa mariky ny tetikasa lafo vidy nefa tsy ilaina, izay aloa avy amin’ny hetra rehetra nefa tsy manome tombontsoa afa-tsy ho an’ny vitsy an’isa. Manoloana izany, takian’ny fanoherana ny famoahana amin’ny antsipiriany ny vidin’ny tetikasa sy ny fifanarahana rehetra, fandaharam-potoana mazava amin’ny fifindrana mankany amin’ny angovo azo havaozina, ary fanadihadiana mahaleo tena mikasika ny ara-bola sy ara-tsosialy amin’ny tetikasa. Ao amin’ny firenena iray izay ahitana 80% amin’ny mponina miaina ambanin’ny fetran’ny fahantrana, dia isaky ny litatra solika dorana amin’ity teleferika ity dia boky iray tsy novidina, sakafo iray tsy nomena, fanafody iray tsy nohefaina,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.