Teleferika

Haodina sy hampiasaina


  • Zoma 21 Novambra 2025

Haodina sy hampiasaina ny teleferika ka

ny Ministeran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro no hisahana ny fitantanana azy manomboka izao. Harenina tsy ho ela ny fahasimbana ka ho raisin’ny minisiteran'ny fitanterana mivantana ny fitantanana sy fanaraha-maso izany rehefa vita. Ny teleferika izay tsiahivina fa nitrosana vola be 152 tapitrisa euros na 800 miliara Ar latsaka kely tamin’ny Frantsay. Tsy vita ny zotra iray Anosy-Ankantso, raha toa ka sarotra ny nampandeha ny zotra Anosy-Ambatobe, izay tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Na noresahan’ny Fanjakana Rajoelina aza ny hampandehanana azy, dia nitarazoka teo sy zara raha niodina. Na ny herinaratra nandefasana azy aza nanahirana satria niovaova firesaka teo ny Fitondrana tamin’izany : milina mandeha gazoala apetraka eo Anosy, herinaratra amin’ny herin’ny masoandro,… Isan’ny tetikasa nanakianan’ny vahoaka ny Fanjakana Rajoelina, nisy fahapotehana ny 25 septambra izay tsy fantatra mazava na avy amin’iza na avy amin’iza fa dia navelan’ny Fanjakana tamin’izany malalaka moa ny fandrobana sy famotehana tamin’io,… Efa eo ny teleferika, trosan’ny Fanjakana, trosam-bahoaka,… dia ny fampiasana azy sy ny fitrandrahana azy izany sisa no azo atao satria na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hefaina io. Toa ezahan’ny sasany roritina indray mantsy ny hoe : hay ilaina ihany ny zavatra naataon’i Andry Rajoelina. Endrika iray miseho amin’izao fotoana izao ihany koa ny fanapariahana ny fiandraketana ireny fananam-panjakana ireny amin’ny Minisitera tokony ho tena miahy azy fa tsy mivangongo any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT