Fifamoivoizana

Teleferika handalo eny amin’ny « Ny Sekolintsika »


  • Zoma 19 Mey 2023

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ireo maintimolaly sy VRM

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fametrahana teleferika ao amin’ny faritry ny Ny Sekolintsika ao Analamahitsy ireo Maintimolaly sy ny VRM (Vondron’ny Raiamandrenin’ny Mpianatra) ao amin’ity Sekolim-pinoana katolika ity, araka ny fanamafisana nataon’izy ireo ny alarobia lasa teo. Efa nisy moa ny fanambarana niraisan’ny Fianakaviamben’ny Ny Sekolintsika nahitana ny Vondrona Pastoraly, ireo masera mpiahy, ireo masera mpanabe, ny mpampianatra, Raiamandreny, mpianatra,… ny 12 may teo anatrehan’ny taratasy tonga tampoka ref:045 PRM/SENVH/2023 ny 9 may 2023 teo, milaza fa handalo ao amin’ny faritry ny sekoly ny teleferika, fa mandà ny fandalovan’izany ao aminy ny Ny Sekolintsika. Mahatratra 1983 moa ny isan’ny mpianatra ao an-toerana ankehitriny. “Tsy mitombona ny filazan’ny tompon’andraikitry ny Minisitera fa tsy miteraka fanelingelenana ny fametrahana ny andrin’ny teleferika ao ambadiky ny fotodrafitrasan’ny sekoly sy ny fandalovany eo ambonin’ny sekoly”, hoy ireo maintimolaly sy ny Vondron’ny Raiamandrenin’ny mpianatra ny alarobia 16 may teo. Raha amin’izao endriny izao, dia feno ny fepetra hisian’ny fitoniana izay fenitra takian’ny fanabezana, ka raha hisy an’izany dia hiteraka fanelingelenana be. Manana tetikasa hampiakatra an’ireo fotodrafitrasany ihany koa ny sekoly, ka vao mainka hiteraka fanelingelenana io teleferika io, hoy hatrany ny famafisana. Manitrikitrika noho izany izy ireo fa hanakorontana ny fampianarana io, kanefa anaty fenitry ny fampianarana ny tontolo manodidina anaty fitoniana tsy hanaiky hatramin’ny farany ireo. Nanamafy fa efa maro sahady ireo Ray aman-dReny naneho ny fitaintainany amin'ny fanasokajiana ny fametrahana ny fitaterana eo ambonin'ny sekoly ho loza mitatao ho an'ny zanany. Nanamarika kosa fa tsy mandà ny tetik'asa fampandrosoana ny Sekoly fa tokony mba ho jeren'ny tompon'andraikitra mahefa akaiky kosa ny toerana tokony hasiana izany mba hisian'ny filaminan-tsaina antoky ny fanabeazana mahomby.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT