Fifamoivoizana

Taxiben’i Fenoarivo sy Vontovorona Tena mampijaly rehefa faran’ny herinandro


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Tena mampijaly ireo mpandeha ny taxibe miazo an’i Fenoarivo sy Vontovorona iny rehefa faran’ny herinandro.

Ho an’ny andro Sabotsy ohatra dia manomboka amin’ny 11 ora maraina eo ho eo dia efa hifampitadiavana ny taxibe miazo ireo toerana roa ireo. Tena betsaka anefa izy ireny amin’ny ankapobeny. Efa saika feno miala avy any Anosy avokoa ny ankamaroan’izy ireny ka saika tavela avokoa ireo misakana eny an-tenantenan-dalana. Tsy fantatra mazava araka izany na misafidy ny tsy hiasa mihitsy ireo taxibe rehefa faran’ny herinandro noho ny fitohanana na koa lasa nanao asa hafa na ilay antsoina hoe : spécial. Tsy misy hafa amin’io ny tranga hiainan’ireo mpandeha rehefa andro Alahady. Tsy ny miazo an’i Fenoarivo ihany fa ny miverina ihany koa. Sahirana hatrany ny mpandeha. Hetahetan’ireo mponina eny an-toerana araka izany ny tokony hampitomboana ny isan’ireo taxibe miazo iny faritra iny na koa hampidirana mpitatitra hafa vaovao. Antony manosika ireo mpitatitra sasany hampiakatra saran-dalana ihany koa mantsy ny havitsian’izy ireo miasa rehefa faran’ny herinandro koa raha tokony ho 1.000 Ar oahtra ny miazo an’i Fenoarivo dia tafakatra 1.500 Ar na 2000 Ar izany rehefa tena betsaka ny olona.
Pati
Legende : Tsy maharaka ireo taxibe miazo an’i Fenoarivo ka tokony ampiana
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT