TAXIBE ZOTRA 180 NAMOA-DOZA

Nandratra lehilahy manana fahasembanana


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

Efa tena mihoatra ny fefy sy mihoampampana loatra ny hadalana hataon’ireo mpamily taxibe

sasany eto amintsika. Ankoatra ny fanariana mpandeha an-dalana sy ny fiavonavonana mantsy dia lasa kilalaon’izy ireny ihany koa ny mifanenjika eny am-pandehanana amin’izao izay tsy hasiany olana akory na dia handratrana sy hamoizana ain’olona aza.𝗟𝗲𝗵𝗶𝗹𝗮𝗵𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗯𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮, 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮ka 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗲𝗵𝗮 intsony 𝗳𝗮 𝗺𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝘀𝗲𝘇𝗮 𝗮𝘁𝗼𝘀𝗶-𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 vaky loha sy tapa-tanana 𝗿𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 nodomin’ny taxibe ao amin’ny zotra 180, afak’omaly maraina teny Alarobia Ivandry. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia 𝗻𝗶𝗳𝗮𝗻𝗲𝗻𝗷𝗶𝗸𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮 taxibe ao amin’ny zotra 180 hafa io taxibe nandratra olona io . Tafiditra tao ambanin'io fiara io mihitsy ilay lehilahy manana fahasembanana sy ilay seza atosi-tanana notaingenany. Avy hatrany dia nalefa teny amin’ny hopitaly moa ity farany ary fantatra fa efa mba mihatsara ny fahasalamany. Fiara roa hafa koa moa no nodomin’io taxibe io nandritra izany ary efa saika nandona Polisy teny Tsarasaotra izy talohan'ireo tranga karazany roa nampalahelo ireo. Andrasana ny fandraisana andraikitra hataon’ny tompon’andraikitra mikasika ilay mpamily. Raha mitohy mantsy ny tranga tahaka izao dia olona maro mihitsy no ahiana mety haratra sy hamoy ny ainy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay taxibe nandratra olona sy nandona fiara hafa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT