Fifamoivoizana

Taxibe zotra 133 Amin’ny 05 ora dia efa tsy tonga any Ambodifilao intsony


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Mijaly fatratra ireo mpandeha mody miazo iny faritra Itaosy Atsimondrano iny. Amin’ny 05 ora hariva mantsy dia efa

tsy misy tonga eny Ambodifilao intsony ireo taxibe ao amin’ny zotra 133 mampitohy an’Itaosy amin’ny hopitaly na Cite des assureurs. Eo an-daniny anefa dia zaza amam-behivavy avokoa ny ankamaroan’ireo mpilahatra izay mijajirika miandry ora iray eo ho eo raha kely vao misy taxibe iray tonga saingy mbola hifandrombahana indray. Mahatsiaro mijaly araka izany ireo mpandeha koa manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra. Raha araka ny fantatra moa dia miodina eny an-dalana avokoa ny ankamaroan’ireo taxibe tokony hiazo an’Ambodifilao Analakely. Noho ny fitohanana lavareny no nambaran’ny mpamily iray nanaiky niresaka taminay fa anton’izany. Eo an-daniny ihany koa dia matahotra mafy ny ainy izy ireo vokatry ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Anisan’ny faritra mamay mantsy Analakely hoy izy ireo raha vantany vao hariva ny andro. Saika mibosesika miditra ao anaty taxibe avokoa ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy ka tsy misy mahazo miteny ny mpamily sy ny mpanampy azy na dia mahita ny asa ratsy hataon’izy ireny aza. Ny koperativa araka izany no tokony handray ny andraikiny. Lohalaharana amin’izany ny fandaminana ireo fiara fitaterana tokony hiodina eny amin’ny 67 ha sy ireo tsy maintsy miazo an’Analakely. Tsy latsa-danja amin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana ho fiarovana ny ain’ireo mpandeha sy ny mpamily ary ny mpanampy ny mpamily.
Pati
Legende : Mampijaly mpandeha ny taxibe 133 miazo an’Itaosy
(Sary Tahiry)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT