TAXIBE, TAXI-BROUSSE MAMONO OLONA LAVA

Miantso ny fandraisan’andraikitry ny ATT ny olom-pirenena


  • Talata 13 Mey 2025

Olona10 isan’andro no mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo ohatra dia Raim-pianakaviana iray no maty nofaohan’ny taxibe teny Anosimasina Itaosy. Mimenomenona vokatr’izany ny ankamaroan’ny olom-pirenena ary miantso ny fandraisan’andraikitry ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Lolona : Tokony hidinana hanaovana contre visite isan’andro mihitsy ny taxibe rehetra eto an-drenivohitra sy ny manodidina mba hahitana ireo tokony mbola hiasa. Toraka izany koa ny taxi-brousse. Be loatra mantsy ireo tsy manao visite teknika fa manome tsolotra nefa manohy ny asa fitaterana ihany hany ka mamono olona tahaka ireny. Fara : Maika ny fandraisan’andraikitry ny ATT manoloana ireny tranga ireny. Tsy tokony hitsitsiana intsony mihitsy ireo fiara tsy manara-dalana indrindra fa ireo manao asa fitaterana. Tokony hanaovana fanentanana ihany koa ny tompon’izy ireo mba tsy ho matim-bola loatra ka ny hitady vola hatrany ihany fa tsy mikarakara sy mikojakoja fiara mihitsy. Ain’olona anefa no lalaovina.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT