Fifamoivoizana

TAXIBE Talatamaty – Ankorondrano Hiasa manomboka amin’ity volana jolay ity


  • Zoma 02 Jolay 2021

Hiasa manomboka amin’ny tapak’ity volana jolay ity ny taxi-be mampitohy an’i Talatamaty sy Ankorondrano. Hanampiana ireo mpanjifa amin’ny filana isan’andro no tanjona

 

 raha araka ny loharanom-baovao azo avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fitateram-bahoaka sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro. Tamin’ny volana Septambra taona 2020 no natao ny fampahafantarana ny fisian’ity lalan-jotra vaovao ity ho an’ireo mpandraharaha vonona ny hisehatra amin’izany. Fantatra izany nandritra ny fanazavana nentin-dRakotomalala Dina, tale jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny fitaterana nandritra ny fanokanana ny lalam-baovao Rocade d’Iarivo mifandray amin’ny By pass. Orinasa miisa telo no hisafidianana amin’izany. Zotram-pitaterana miisa roa vaovao araka izany no andrasana hiasa eny amin’ny Rocade ihany koa ato ho ato. Anisan’izany ny zotram-pitaterana Express rose mampitohy an’i Talatamaty sy Ankorondrano ary Rocade d’Iarivo. Ho an’ny zotra-pitaterana Express Verte mampitohy an’ny tobim-piantsonana Maki sy ny Fisandratana Amoronakona kosa dia mbola eo am-pandinihina izany ny Ministera mialohan’ny hanatanterahana azy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT