Fifamoivoizana

TAXIBE Maro sahady ireo tsy mampiasa « gel »


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Na dia vao tapa-bolana aza izay no fotoana niverenan’ny taxi be niasa soaman-tsara dia efa marobe sahady ireo tsy mampiasa ny gel désinfectant, ranom-panafody famonoana bibikely sy mikraoba ahosotra amin’ny tanana.

 An-kavitsiana sisa ireo manaja izany fepetra izany raha efa hataon’ny mpamily sasany kaskety ny visière. Mampametra-panontaniana ihany koa ny hoe : mbola voahaja isan’andro ve ilay famedrahana ranom-panafody ny fiara, Manoloana ireny tranga ireny dia misy ireo koperativa tonga saina ka hametraka fepetra manokana ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Ho an’ny koperativa Tselatra izay mampiasa fiara mihoatra ny 300 isan’andro ohatra dia fantatra fa efa niresaka tamin’ny tompon’ny fiara izy ireo ny amin’ny tokony hitondran’ny mpamily sy ny mpanampy azy gel disinfectant mandeha miasa isan’andro aorian’ny fahalanian’izany tolotra izany avy amin’ny Fitondram-panjakana. Fantatra ihany koa fa handraisan’izy ireo fepetra manokana ireo mpamily manana olana amin’ny fampiasana ny visiere. Mety hisy mihitsy ny fampiatoana ireo milaza fa manjavozavo ny masony vokatry ny fampiasana ny visiere sy ny fitaratry ny fiara eo anoloana mitambatra. Izany no hatao moa hoy ny tompon’andraikitra dia ho fiarovana ny fahasalaman’ny mpandeha rehetra, indrindra manoloana ny ady hatao amin’ny Covid 19.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT