Fifamoivoizana

Taxibe Maro ny mpandeha tsy nety nandoa 600 Ar omaly


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Sahirana ny ankamaroan’ireo taxibe teto an-drenivohitra sy ny manodidina omaly. Betsaka tamin’ireo mpandeha mantsy no tsy nety nandoa ilay saran-dalana 600 Ar.

Tsy nisy nametaka soratra mazava avy amin’ny kaoperativa rahateo ny ankamaroan’ireo taxibe nampiakatra saran-dalana fa avy hatrany dia nitaky ilay 600 Ar tsy nisy fanazavana. Nisy tamin’ireo mpandeha noho izany no nidongizina tsy nety nandoa ilay 100 Ar ambiny nefa tsy niala raha tsy tonga tany amin’ny farany noho ny vola tany am-paosiny efa maty marika. Nisy indray ireo vao tsy nety nandoa dia navoakan’ny resevera avy hatrany ary lasa nandeha dia an-tongotra noho ny fahatezerany. Na izany aza anefa dia nisy tamin’ireo resevera sy mpamily no mbola tsy nampiakatra saran-dalana fa nijanona ho 500 Ar ihany niandry ny taratasy mazava avy any amin’ny koperativa hapetaka amin’ny fiara. Tsy nahazaka ny fitarainan’ny olona ny amin’ny tsy fisiam-bola izahay hoy ny resevera iray ka aleonay aloha mandefitra kely. Tsy haharitra koa anefa izany hoy hatrany ity resevera ity fa mety ho 2 andro eo ihany mandrapisian’ny fanapahan-kevitra vaovao avy amin’ny koperativa. Ho an’ireo efa nampiakatra saran-dalana ho 600 Ar moa omaly dia nilaza izy ireo fa mbola maty antoka noho ny teo aloha aza vokatry ny fidangan’ny vidin-tsolika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT