Fifamoivoizana

TAXIBE Maro ireo tratran'ny polisy tsy nanaja fepetra


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Maro sahady ireo taxibe tratran’ny polisy tsy nanara-dalana omaly andro voalohany niasan’izy ireo.

 

 Hatramin'ny 8ora 30 maraina omaly mantsy dia nahatratra 20 sahady ireo taxibe tsy nanaraka ny fepetra napetraka hiarovana ny olom-pirenena amin'ny fiparitahan'ny valan'aretina covid-19. Ny tsy fanaovana "Visière" moa no tena hita fa maro tsy manara-dalàna ka voatery nampidinina avokoa ireo mpandeha tao anatiny ary nasaina nanaraka ny fepetra ireo taxi-be tsy nanao izany vao afaka miasa indray.Nentanina mba hanaraka ny lamina napetraka ihany koa ny mpamily sy ny mpanampy azy ho fiarovana azy ireo sy ny mpandeha izay entiny .Voalaza fa ny fiara iombonana no anisan’ny fitaovana iray manaparitaka haingana ilay valan'aretina, noho izany dia mila mitandrina sy manaja ny fepetra izy ireo ho tombontsoan'ny be sy ny maro rehefa nomena ny fahazoan-dalàna hiasa ihany.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT