Niasa nanomboka omaly ny taxibe rehetra teto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Tsy nisy intsony ny fifampifandimbiasana amin’ny laharan’ny fiara ankasa sy tsy ankasa mivoaka miasa fa afaka niasa avokoa ny rehetra, araka ny didy navoakan’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT. Na izany aza anefa dia tena nisedra olana tanteraka izy ireo noho ny famerana ho 18 isa ny isan’ireo mpandeha azo entina. Foana tanteraka araka izany ilay saran-dalana tapa-dalana 300 Ar fa 500 Ar avokoa no nalohan’ny rehetra na dia tobim-piantsonana iray monja aza no lalovana. Na izany aza dia mbola mahatsiaro ho maty antoka ireo taxibe. Hetahetan’izy ireo araka izany ny hamatsian’ny fanjakana solika azy 50.000 Ar isanisany mandrapiverin’ny asa fivelomana amin’ny laoniny. Mikasika ny ora fodiana indray dia tamin’ny 03 ora folakandro avoko omaly dia efa tsy nisy niasa intsony izy ireo ka nanomboka tamin’ny 1 ora folakandro dia efa nifampitadiavana ny taxibe. Tsy maintsy namonjy ireo toerana famendrahana ranom-panafody mantsy izy ireo izay nambaran’ny tompon’andraikitra fa hatao isaky ny hariva rehefa avy miasa hitsenana ny fitateram-bahoaka rahampitso maraina indray. Toerana miisa fito no hahafahan’izy ireo manao izany toy ny eny amin’ny 67 ha, By pass, kianjan’ny Maki Andohatapenaka, Ankatso, Ampasampito…Raha araka ny fantatra moa dia mahazo taratasy vaovao hatrany ireo taxibe isaky ny mahavita famendrahana ranom-panafody tahaka izao hahitana ireo tena manaja izany ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.