Fifamoivoizana

Taxibe Ivato Mbola hitohy ny fitokonan’ny zotra D


  • Alarobia 30 Martsa 2022

Hitohy hatramin'ny rahampitso Alakamisy ny fitokonana tanterahin'ireo taxibe ao amin'ny zotra D izay mampitohy an'i Vasakaosy sy Alakamisy Ambohidratrimo.

Miandry valiteny avy any amin'ny tompon'andraikitra izahay hoy ireo mpamily taorian'ny fandefasana taratasy fitarainana natao. Anisan'ny tena tsy zakanay hoy izy ireo ny fanenjehan'ny polisy sy ny zandary anay manomboka amin'ny 05 ora maraina isan'andro. Mandeha moto mihitsy izy ireo hoy hatrany ny mpamily iray ary maka ny antontan-taratasin'ny fiara mihitsy amin'ny resaka tsy fananana visière na dia efa manao aron-tava aza. Tsy azo ny antontan-taratasin'ny fiarakodia hoy hatrany ity mpamily ity raha tsy handoavana 40.000 ka hatramin'ny 50.000 Ar. Nilaza fa leo izany fanararaotam-pahefana hataon'ny polisy sy ny zandary izany izy ireo. Hangatahin'izy ireo ihany koa ny hahafahany mitondra mpandeha amin'ny seza afovoany na volamena amin'izay. Hahazoan'izy ireo 10.000Ar isaky ny tour iray mantsy izany rehefa tena betsaka ny mpandeha. Marihina moa fa tena nijaly fatratra ireo mpandeha niazo an'Ambohidratrimo nanomboka tamin'ny alatsinainy teo vokatr'ity fitokonana notanterahin'ny taxibe ao amin'ny zotra D ity.


Tsara ho marihina fa tsy mbola foana hatreto aloha ny fahamailoana ara-pahasalamana ka noho izany mbola mihatra daholo ny fepetra sakana ; anisan’izany ny fanaovana aro vava orona miampy visière ho an’ireo reseveran’ny taxi be rehetra.
Pati
Legende : Miziriziry ireo taxibe ao amin'ny zotra D
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT