Fifamoivoizana

Taxibe eto an-drenivohitra Tsy hisy intsony ny tapa-dalana


  • Talata 25 Aogositra 2020

Tsy hisy intsony ny saran-dalana tapa-dalana toy ny 200 sy ny 300 Ar manomboka izao fa tsy maintsy 500 Ar avokoa no alohan’ny mpandeha iray na dia mandingana tobim-piantsonana iray fotsiny aza.

 

 

 

Io no fepetra noraisin’ny ankamaroan’ireo taxibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina indrindra taorian’ny nandrenesana ny kabarin’ny Filoham-pirenena fa mbola tsy mahazo manao strapotin izy ireo na ilay seza afovoany ho fiarovana amin’ny mety ho fiparitahan’ny COVID 19 . Toraka izany koa ilay tsy fahafahana manondrona saran-dalana izay nambaran’ireo mpamily sasany fa tena fatiantoka ihany.Efa nisy tamin’ireo mpamily taxibe moa omaly no namonjy ilay famendrahana ranom-panafody teny amin’ny Coliseum omaly hisorohana ny mety ho filaharam-be hitranga amina toerana maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina rahampitso. Nozaraina aron-tava ihany koa ireo mpamily sy ny mpanampy azy niampy ilay gel fanosotra amin’ny tanana ho famonoana mikraoba.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT