Iray amin’ireo sehatra nitondra faisana noho ny fepetra apetraky ny fitondram-panjakana ny fitateram-bahoaka indrindra teo amin` ny Faritra Analamanga, tafiditra ao anatin’izany ny Taxibe sy ireo Taxi-brousse mampifandray ny
Renivohitra sy ny Faritra hafa. Ho an’ny Taxibe dia efa ny alarobia lasa teo moa no niverina niasa ary maro rahateo koa ireo olona mitaraina amin’ny tsy fisian’ny fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra kanefa ny mpiasa efa miverina miasa, torak’izany koa ireo olona tokony hihazo ny Faritra hafa na hiakatra aty Antananarivo. Mazava ho azy fa nisy fametrahana ny lamina rehetra mba ho fiarovana ny mpandeha sy ny fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina. Mazava moa ny resaka fahasalamana saingy manao ahoana ny fanarahana bokin-andraikitra? Maro no mitaraina amin` ny afitsoky ny taxibe tsy refesi-mandidy sasany. Tsy tonga any amin` ny farany izy ireo amin`ny hariva. Miodina an-dalana ary mandika mihitsy ny voalaza ao anatin` ny bokin` andraikitra. Sady miodina am-pandehanana , mibahan-dalana ary mety hiteraka lozam-pifamoivoizana. Manginy fotsiny ny familafilana mpandeha. Ilay fahatongavan-tsaina mihitsy no mbola tsy ao eto amintsika. Tsy efa ampy ve izay fijaliana tsy nandraisana karama nandritra ny volana maro izay? Tsy efa fotoana tokony nanaovan` ireo mpitatitra sy mpiantsehatra jery todika amin` ny lasa mba hanatsarana ny fitaterana amin’ny ho avy ve izay ? Indrisy fa vao mahita irika kely dia miverina anaty gaboraraka sy fandikan-dalàna. Mila hambenana ohatry ny omby foana ve vao hanaja fitsipika sy lalàna ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.