Fifamoivoizana

TAXIBE Efa manomboka miverina ilay toerana 5


  • Talata 01 Martsa 2022

Raha mbola tsy foana tanteraka fa mbola namono olona 16 isa tamin’ny faran’ny herinandro teo ilay valan’aretina Covid 19 teto amintsika dia efa marobe sahady ireo tsy mivaky loha intsony ny amin’ny fiarovan-tena tokony hataony.

 Eny an-dalam-be ohatra dia efa marobe ireo tsy manao arovava orona intsony. Hita hatrany anaty taxibe izany ka misy ireo mpamily sy ny mpanampy azy sahy mitondra ireo mpandeha tsy manao arovava orona raha misy kosa ireo tena sarotiny ka mahavita mampidina eny an-dalana mihitsy. Ankoatra ireo dia anisan’ny tena olana ny fisian’ireo taxibe efa sahy mitondra olona 5 isaky ny tsanganana iray. Fenoin’izy ireo avokoa ny strapotin rehetra na ilay seza volamena afovoany iny ka rehefa mandalo polisy dia miondrika ao ambany avokoa ireo mpandeha mipetraka amin’izany. Tsy voahaja intsony ilay fepetra napetraky ny Fitondram-panjakana araka izany indrindra fa ilay elanelana 1 metatra isaky ny olona. Izany fanomezana gel famonoana otrik’aretina fanosotrona amin’ny tanana fanao eo am-baravarana izany moa dia tsy misy intsony. Tokony ho hentitra araka izany ny fitondram-panjakana manoloana ireny karazana goragora sy gaboraraka amin’ny ady hatao amin’ny Covid 19 ireny. Na ny aretina pesta sy ny gripa mahery izay mahazo vahana amin’izao ihany koa mantsy dia fantatra fa voaaron’ny fampiasana sy fanaovana arovava orona.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT