Fifamoivoizana

TAXIBE Antananarivo Miditra amin'ny 5 ora maraina ,mirava amin'ny 3 ora tolakandro


  • Talata 21 Aprily 2020

Nivory nandinika ny amin’izay fanapahan-kevitra mety horaisina mikasika ireo taxibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina hiverina hiasa ny fivondronan’ny mpitatitra eto Antananarivo renivohitra, omaly.

 

 

Nivoitra nandritra izany fa tsy maintsy vita famendrahana ranom-panafody avokoa ny taxibe rehetra vao afaka miasa ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Nisy araka izany ny paikady napetraka omaly ka anisan’ireny ny fanondroana ny toerana hanondrahana ranom-panafody ny fiara tsirairay avy isaky ny koperativa. Hiasa manomboka amin’ny 05 ora maraina ka hatramin’ny 03 ora folakandro izy ireo, fotoana izay mifanandrify amin’ny fiverenan’ny mpianatra miditra any an-tsekoly ihany koa. Hozaraina aron-tava avokoa ny mpamily sy ny mpanampy azy mandritra izany ary tsy hisy ny fampiakarana saran-dalana. Ankoatra izay dia tsy mahazo miditra ao anaty fiara ny mpandeha raha tsy mampiasa ireo karazana gel famonoana bibikely ahosotra amin’ny tanana ihany koa, izay hozaraina maimaim-poana isaky ny fiara.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT