Fifamoivoizana

Taxibe Antananarivo Lasa niverina olona iray ny eo amin’ny “devant”


  • Zoma 26 Martsa 2021

Matahotra ny ankamaroan’ny olona manoloana ny fihanaky ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika.

 

 

Tsy mbola nisy akory ny fepetra navoakan’ny Fitondram-panjakana araka izany dia efa maro ireo mahay mifehy tenany ho azy. Ho an’ny taxibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina ohatra omaly dia efa tsy vitsy tamin’izy ireny omaly no tsy nametraka olona roa teo anoloana manakaiky ny mpamily fa iray ihany. Ho fanajana ilay elanelana 1 metatra no anton’izany raha ny resaka nifanaovana tamina mpamily iray. Na izany aza anefa dia anisan’ny mampitaraina azy ireo kosa ny fizarana gel fanosotra amin’ny tanana izay tokony hataon’ny fanjakana laharam-pahamehana mihitsy. Hangatahin’izy ireo ihany koa ny hanakaikezana ny toerana famendrahana ranom-panafody ho an’ny taxibe mba tsy handany fotoana azy ireny be loatra. Manenjika volan’ny mpampiasa 50.000 Ar isan’andro mantsy ny iray amin’izy ireny raha kely ankoatra ny vola entina mody.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT