Fifamoivoizana

Taxibe Andoharanofotsy « Tsy ampy anay io 600 ariary io »


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Nitokona tsy nisy nety niasa avokoa omaly maraina ireo taxibe miazo an’Andoharanofotsy. Tsy mety amin’izy ireo hono mantsy ilay saran-dalana 600 Ar , izany hoe :

fiakarana 100 Ar monja fa ilay 1.000 Ar nampanantenain’ny UCTU hatramin’izay no mety amin’izy ireo. Nihitsoka teo amin’ny tobim-piantsonana manakaiky ny tsena avokoa vokatr’izany ny ankamaroan’ireo mpandeha tamin’io omaly maraina io niandry ny sitrapon’izy ireo. Tsy vitsy tamin’ireo mpianatra mbola mianatra sy ny mpiasa noho izany no tara tsy fidiny. Hatezerana tsy roa aman-tany noho izany ny an’ireo mpandeha. Tsy mitsinjo ny fahasahiranam-bahoaka, tia tena…. izany no nivoaka ny vavan’ireo mpandeha teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny. Vaovao farany azo moa ora maromaro taty aoriana dia ny fahafantarana fa niverina niasa ihany izy ireo noho ny fandaminana nataon’ny tompon’andraikitra.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT