Fifamoivoizana

Taxibe an’Antananarivo Nisy mbola nanano sarotra hatramin’ny omaly


  • Talata 05 Janoary 2021

Mbola saika sahirana tamin’ny fitadiavana taxibe avokoa ny ankamaroan’ireo mpandeha omaly alatsinainy 04 Janoary.

 

 

 Naharitra ela mantsy vao nahita ny ankamaroan’ny mpisa ankoatra ireo efa fenobe ka nandalo ny tobim-piantsonana fotsiny. Anisan’ny niaina izany ireo mponina avy eny Itaosy hiazo an’Ankadimbahoaka. Nifandrombahana ny taxibe KOFIMI sy ny KOMAFILA ary nidirana fotsiny izay nisy na dia nisy nilaza aza fa hatreo Anosizato ihany ny farany. Raha tsiahivina dia tranga efa niseho tamin’ny sabotsy 02 janoary ity mbola niainan’ny mponina omaly ity. Maro tamin’ireo kaoperativa mantsy no nisafidy ny nampiato kely ny asa notanterahiny noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Teo an-daniny anefa tsy vitsy tamin’ireo mponina ihany koa no mbola nisafidy ny nivoaka ny trano nanararaotra ny halavan’ny faran’ny herinandro nitondrana ireo fianakaviana niala voly kely. Na izany aza anefa dia tamin’ny alin’ny 23 sy 24 desambra teo ihany no nisy taxibe nampiakatra saran-dalana 1.000 Ar toy ireo taxibe laharana 119 niodina teny Ambohijatovo nanararaotra ireo mpijery jiro teny Antaninarenina sy Analakely.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT