Fifamoivoizana

Taxibe an’Antananarivo Efa maro ireo mampiasa seza afovoany


  • Alarobia 08 Septambra 2021

Tapitra tanteraka ny hamehana ara-pahasalamana eto amintsika nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19.

Na izany aza mbola mihatra hatrany ireo fepetra sakana maro samihafa hahafahana miaro ny valan’aretina tsy hiparitaka. Mbola misy mantsy ny Covid 19 ary miara-monina amintsika eny anivon’ny fiaraha-monina fa tsy foana akory. Ny mahavariana sy mahagaga anefa dia efa marobe sahady ireo taxibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina no mampiasa ireo seza afovoany izay marihina fa tena tsy manaja mihitsy ilay elanelana 1 metatra. Hataon’ny sasany amin’izy ireny haingon-tseza fotsiny ihany koa sisa ilay tsiranoka fanosotra amin’ny tanana tokony hozaraina amin’ny mpandeha fa tsy misy hampiasainy araka ny tokony ho izy intsony. Ny tena manahirana dia betsaka ireo mpandeha no mitandrina fatratra amin’ny fanaovana aron-tava nefa misy ihany koa ireo miditra tsy ampihambahambana tsy manao izany intsony ao anaty taxibe ka mampitaraina ny maro. Tsiahivina moa fa ankoatra ny Covid 19 dia miaro amin’ny gripa mahery sy ny pesta aretin-tratra izay samy mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora ny aron-tava ka tsy tokony hadinoana mandrakariva ny manao azy ireny.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT