Taxi potsitra nihemoran’ny kamio

Nosokirina ilay mpamily, avotra ihany


  • Alarobia 18 Desambra 2024

Mpamily fiara karetsaka iray no voatery nosokirana tao anatin’ilay fiara nentiny izay nihemoran’ny kaomiao

lehibe iray teny Manjaka Ilafy omaly Talata 17 Desambra tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina. Raha ny fantatra dia tsy nahatafiditra ny vitesse ka nihemotra tampoka ilay kamiao ary nifatratra tamin’ilay fiara karetsaka taorinany. Voatery niantsoana ny sampana mpamonjy voina mihitsy moa nisikotra ity mpamily fiara karetsaka ity tao anatin’ilay fiara nentiny. Rehefa vita ny fisokirana dia noetina avy hatrany teny amin’ny hopitaly ilay mpamily ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Ny lohany no fantatra fa voa. Toraka izany koa ny lamosiny sy ny tongony hoy ny loharanom-baovao azo. Niteraka fitohanana goavana teny amin’iny faritra Ankadikely Ilafy iny moa ity lozam-pifamoivoizana ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no fitrangan’ilay loza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT