Fifamoivoizana

Taxi niasa Voasakana tetsy sy teroa tamin’ny faran’ny herinandro


  • Alatsinainy 26 Aprily 2021

Na dia afaka niasa aza ny fiara karetsaka teto an-drenivohitra tamin’ny faran’ny herinandro teo

 

 

 

 mba hitondra sy hitatitra ireo marary dia nikaikaika fatratra izy ireny. Saika voasakana tetsy sy teroa mantsy ny ankamaroan’izy ireny no sady notakian’ny polisy vola ihany koa raha araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mpamily iray. Rehefa avy manatitra marary iray mantsy izy ireny dia tsy voatery hanaraka azy intsony ny taratasin’ilay marary hahafahany miverina fa tsy maintsy mijanona any amin’ilay tompony ka ilan’ny polisy vanona. Rehefa manazava izany izahay hoy ny mpamily iray dia asain’izy ireny mametraka kely ka foana tanteraka ny paosy. Hetahetan’ireo mpamily taxi araka izany ny tokony hanomezan’ny tompon’andraikitra azy taratasy hahafahany miasa ara-dalàna hisorohana ny tranga tahaka izao tsy hiverina intsony. Tsiahivina hatrany moa fa ireo fiara manana fahazoan-dalana manokana ihany no afaka mivezivezy miaraka amin’ny mpanao gazety, ny mpitsabo ary ny mpiasan’ny Jirama.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT