Fifamoivoizana

Taxi-moto Te hanara-dalàna, hanao diabe anio


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Hanatanteraka diabe miainga eny Anosizato hatreny amin'ny By pass ny vovonan'ny mpitatitra taxi-moto eto Madagasikara na ny VMTM tarihin-dRamamonjisoa Fulgence anio alarobia 24 aogositra,

raha ny vaovao niely hatry ny omaly. Izany dia ho fanehoan'izy ireo ny firaisan-kinany amin'ny fitadiavana ny fampanarahan-dalàna ny seha-piharian'izy ireo. Taxi-moto any ho any amin'ny 2 500 amin’ny ireo manodidina ny 3 500 eto Antananarivo no nambara fa andrasana handray anjara amin’izany. Voalaza fa natao handraisana fanapahan-kevitra momba ny fitsipi-pifehezana sy ny famantarana tokony hatao amin’ny moto sy ny fanamiana ihany koa io fihaonana io. Hatramin’izao, mijanona ho sehatra tsy ara-dalàna ny Taxi Moto mandrapiandry ny fankatoavan'ny Fiadidiana ny tanàna. Efa kijoro ara-panjakana kosa ny "Vovonan'ny mpitatitra Taxi-Moto eto Madagasikara (VMTM)", mamondrona ny fikambanana sy mpisehatra rehetra manerana ny Nosy. Nambara fa nahazoana alalana avy amin'ny Prefektiora ny hetsika. Ireto taxi-moto ireto, izay nomena alalana hatrany tamin’ny hetsika nataony, raha toa ka ny mifanohitra amin’izany ny manjo ny Taxi, izay mpifaninana amin’izy ireo sy mitaky ny hanafoanana ity fitaterana sokjian’ny Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra (FTAR) ho tsy ara-dalàlana. Ny 12 aogositra teo, nisy ny fivoriambe nataon’ny FTAR. Nampitandrina ny Kaominina izy ireo eo anatrehan’ny fikasana hamerina eo anivon’ny filankevitra monisipaly ny fandinihana ny Taxi-moto ho isan’ny fitaterana ara-dalàna eto Antananarivo Renivohitra. Efa notsipahan’ny Filankevitra monisipaly moa io, ka ra a ny lalàna dia tsy tokony hasisika rehefa tsy lany in-dray mandeha. Raha hanao ohatr’izany dia hasisiho hodinihina fanindroany ihany koa ary ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) fa betsaka amin’ny mponin’Antananarivo no tsy mankasitraka an’io, hoy ny FTAR tamin’ny alalan’Atoa Alain Andriamanarivo. Tsara ny mampahatsiahy fa 49/54 ireo mpanolontsaina monisipaly efa nitsipaka ny Taxi-moto. Manitrikitrika ny FTAR fa tsy azo ekena intsony ny hamerenana an’io. Raha sanatria tereny dia aleo handeha izay handeha, aleo hipoaka izay hipoaka,… fa ho hita eo, hoy ireo taxi. Heverina ho efa misy kajikajy amin’ny fifidianana ihany koa ity resaka Taxi-moto ity. Lojika, tsy hifidy ny kandidam-panjakana volomboasary ny Taxi, ka mba hanaovana fampifandanjan-kery na “rapport de force” amin’izy ireo ny Taxi-moto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT