Fifamoivoizana

Taxi-moto sy taxi tsy manara-dalàna Mihamafy ny hazalambon’ny CUA


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Niroso tamin’ny fidinana ifotony sy fisavana ny ekipan’ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana eto anivon’ny CUA, niaraka tamin’ny komity stratejikan’ny taxi.

 

 

 

 Tratra tamin’izany ireo taxi-moto sy taxi tsy manara-dalàna, hoy ny eo anivon’ny Kaominina. Tao Ankazomanga, Tsarasaotra, 67Ha ary Ankadimbahoaka no nanaovana izany. Fa mbola manohy izany ny « brigade mixte » manerana an’Antananarivo. Ampiharina avy hatrany ny sazy ho azy ireo, hoy hatrany ny fiadidian’ny tanàna. Nisy avy hatrany kosa tetsy ankilany ny kazarana hetsika sy gravy nataon’ireo mpitondra moto teny Analakely sy ny manodidina naneho ny tsy fahafaliana sy mitaky ny hamelana azy ireo hiasa. Mbola tsy voasokajy ho fitaterana ara-dalàna eken’ny CUA ny Taxi-moto hatreto, ary mety ho olana amin’ny Kaominina ny tsy fisian’ny rafitra mazava momba izany, ahafahana mampidi-bola ho an’ny Kaominina, toy ny fitaterana rehefa efa ankatoavina. Nanamafy ny polisim-pirenena omaly fa tsy ara-dalàna ny Taxi moto ary hitohy ny fisavana sy ny fanagiazana.Aza terena ny fanjakana hanaiky izay tianareo, hoy kosa ny avy ao kaominin’Antananarivo renivohitra fa hajao ny rafitra efa mipetraka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT