Fifamoivoizana

Taxi-moto eto Antananarivo Te hiditra amin` ny ara-dalàna


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Nafampana ny ady teo amin` ny Taxi-Moto sy ny kaominina renivohitra Antananarivo (CUA) tamin`ity herinandro ity. Tsy midika akory fa nifarana izany ka ahiana mbola hafàna aza.

 

 

 Raha tsiahivina dia efa ho telo taona no nanombohan` ny Taxi-Moto tamin` ny sehatry ny fitaterana. Raha ny fanazavana nataon` ny ankamaroan` izy ireo dia mitaky ny fampitovian-jo amin` ny posy sy Bajaj ary tuk-tuk izy ireo. Ankilany na ny minisiteran` ny fitaterana na ny CUA dia nanambara fa tsy ara-dalàna izy ireo. Raha ny fanadihadiana natao dia toy ny mpivarotra amoron-dalana ihany no olana amin` ireto taxi-moto ireto. Ny mpivarotra amoron-dalana dia milaza fa ara-dalàna satria mandoa hofan-tsena sy “ticket” eny amin` ny Kaominina. Ka izay ihany koa no olana amin` ny Taxi-moto. Kaominina iray manodidina an`Antananarivo dia maka ny atao hoe “droit de stationnement” 20 000 ariary isan-kerinandro amin` ny fikambanana Taxi-moto misehatra amin`ity faritra ity. Ho an` ity kaominina ity dia miisa 30 ireo taxi-moto, ka samy mandoa 700 ariary isaky ny moto isan-kerinandro. Izany no tapaka nandritra ny fivoriana niarahana tamin` ny Agence terrestre de transport (ATT) sy ilay kaominina. Tsy mahagaga raha manohy ny asany ny mpamily satria na io kaominina io aza dia maka vola aminy ka rariny ho azy ireo raha milaza izy fa ara-dalàna. Ny tsy fananan` asa moa sy ny tsy fisian` ny karama mahavelona no tena olana fototra. “Izaho dia tsy an` asa efa ho aman-taonany. Saika nihafara tamin`ny fisaharam-panambadiana mihitsy satria tsy mety nahita asa. Ny tahiry tao an-trano no nividianana moto ka tsy hitako izay olana amin`ny fanjakana raha mamorona asa aho. Volako no nividianako ny moto fa tsy nangalarina Taloha aho nikarama 180 000 ARIARY kanefa izao aho mahita an`io sora-bola io ao anatin` ny telo andro. Miaina kokoa ny vady aman-janako ankehitriny. Ampidiro amin`ny tsy ara-dalàna izahay fa vitan` ny bandy anie no mandoa patente 150 000 ariary isan-taona” hoy Rija, mpitondra taxi moto. Mbola mitohy aloha ny ady mahakasika ny taxi-moto sy ny kaominina ankehitirny. Marihana fa endrika iray amantarana hoe mbola mahantra ny firenena iray dia ny fahamaroan’ny mpivarotra tsy ara-dalàna, indrindra fa ny eny amin’ny sisin-dalana. Tena mirongatra ny sehatra tsy ara-dalàna satria manararaotra mivarotra na mamorona asa avokoa ireo rehetra tsy an’asa.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT