TAXI” HITA NIHOSON-DRA

Nisy namono tao anatiny ny mpampily


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Mirongatra indray ny famonoana mpamily fiara karetsaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina, indrindra fa ireo miasa alina.

Mpamily taxi iray mpiantsona eny Ankorondrano ary mody eny Ivandry no nisy namono teny Tsarahonenana Andraisoro ny sabotsy alina teo. Ilay fiara nentiny efa nihosin-dra ary natosik’ireo tsy mataho-tody tao anaty tatatra no hitan’ireo fokonolona teny an-toerana noho ny maraina ny andro ka nantsoina avokoa ny manam-pahefana rehetra. Omaly moa no natao fizahana na “autopsie” ny razana hahafantarana ny antony tena nahafaty azy marina. Raha araka ny fantatra dia tsy nisy lasan’ireo mpanao ratsy ny vola fa ny antontan-taratasy momba ilay fiara no tsy nisy tao intsony. Misokatra ny fanadihadiana hataon’ny manam-pahefana momba ity raharaha ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Nihosin-dra tahaka izao ilay fiara karetsaka nentin’Itompokolahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT