Fifamoivoizana

TAXI eto an-drenivohitra Tsy hanaiky ny fanilihana ataon’ny kaominina


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Nivory nandinika maika ny toe-java-misy iainany ankehitriny ny mpitantana ny fiara karetsaka eto Antananarivo renivohitra ny faran’ny herinandro teo notarihin’ny filohan’ny FTAR Raharinirina Clemence.

 

Fehin-kevitra maro no tapaka nandritra izany. Ho an’ireo taxi rehetra manana antontan-taratasy ara-dalana ohatra ka voadingana ny laharany na tsy voantso na nolazaina fa tsy ao anaty bazy dia tokony hanatitra ny antontan-taratasiny maika (copie licence sy patanty ary carte grise) eny amin’ny biraon’ny FTAR eny Ankazomanga. Anjaran'ny fikambanana avy eo no mandefa ny lisitra rehetra sy ny laharana any amin’ny kaominina ka ny fikambanana ihany no hanatanteraka ny fanarahana izany. Ho an'ireo voalaza fa tsy ao anaty bazy dia hatokana ary hiady ho azy ireny ny FTAR. Tsy ekena ny fanilihana hoy izy ireo ary hojerena ihany koa ny fampanantenana nataon’ny Ben'ny Tanàna izay nilaza ombieniombieny fa maimaim-poana ny fanoloana ny licence. Nisy anefa ny taxi nijoro vavolombelona nandritra ny fivoriana fa tena misy ny fangalam-bola tamin’ireo sasany izay nanolo izany.Noresahana koa ny mahakasika ny fourrière sy ny manodidina azy ka niray feo ny taxi fa tsy manaiky ny vola miompampana takiana amin'izany. Tsy ny fanasaziana no toherin'ny taxi fa ny fangalam-bola diso tafahoatra. Tsy eken'ny taxi intsony ny fanomezana fiantsonana voatokana ho an'ny taxi ho an'olon-kafa. Fampitomboina fiantsonana no nampanantenain'ny Ben'ny Tanàna fa tsy fampihenana akory hoy izy ireo.Ny nahagaga hoy izy ireo dia tonga tsy nantsoina tao amin'ity fivoriana ity ireo mpikambana ao amin’ny CSST maromaro ka dia mbola niaro ny CUA momba ny fandaminana amin'ny fanoloana ny licence ihany antony nahatezitra ireo mpivory. Ho an'ireo taxi moa dia ara-dalana avokoa ireo rehetra manana licence ka nanao visite sy contre-visite ara-dalana sy nandoa patanty ara-dalana ka tsy tokony hisy hahilika ary tsy hanaiky ny fanilihana izy ireo.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT