Fifamoivoizana

TAXI eto an-drenivohitra Tsy hampiditra fiara vaovao ny kaominina


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Saika mivarotra ny taxi-any avokoa ireo tompona fiara mampiasa izany eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao no sady manao varo-boba.

 

 

 Raha araka ny tsaho niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera facebook mantsy dia hampiditra fiara vaovao maro sy mitovy ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hanoloana azy ireny. Nanitsy io vaovao niely io sy nilaza ny tena marina araka izany ny solontena avy eo anivon’ny FTAR ka nambarany tamin’izany fa tsy manam-pikasana ny hanao izany mihitsy ny kaominina. Miantso ireo mpampiasa fiara karetsaka eto an-drenivohitra araka izany ny FTAR mba tsy ho taitaitra. Anisan’ny tena imasoan’izy ireo ankehitriny ny fanovana ho nomerika ny licence izay nomarihiny ihany fa tsy handoavam-bola na Ar aza. Toraka izany koa ny ady amin’ny taxi moto sy ny bisikileta izay manimba ny asan’izy ireo. Ho an’ireo manana taxi mbola tsy misoratra amin’ny anarana kosa anefa dia tokony hanao ny mutation faran’izay haingana izy ireny hahazoany ny tombontsoa rehetra. Miisa 4.727 moa ireo taxi miasa eto an-drenivohitra ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT