TAXI-BROUSSE NIVOAKA NY FARITRA

Nihena tamin’ny fetin’ny Pentekosta


  • Talata 21 Mey 2024

Nihena ireo taxi brousse nivoaka ny faritra talohan’ny fetin’ny Pentekosta teo raha araka ny

fanadihadiana natao tetsy amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana. Raha tokony ho 10 isan’andro izany dia nihena ho 6 . Noho ny fahasahiranan’ny olona amin’ny fiatrehana ny fiainana amin’ny ankapobeny no antony mahatonga izany, raha araka ny fanazavan’ny mpamily iray. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny fialan-tsasatra kely toy ny tamin’ny fetin’ny Paska fa avy hatrany dia miasa sy mianatra avokoa anio Talata 21 May. Na izany aza tsy nitovy tamin’izay kosa ireo niazo an’Antsirabe, Faritra Vakinnakaratra. Na dia tsy nitsangatsangana aza mantsy ny ankamaroan’ireo mpandeha dia marobe kosa ireo lasa nody kely namonjy ny fianakaviany nankalaza ny fetin’ny Pentekosta. Ny 99%-n’ireo mpandeha tonga teny amin’ny Fasan’ny Karana noho izany nanomboka ny Zoma lasa teo dia niazo an’Antsirabe kosa. Somary nanano sarotra noho izany ny fitadiavana taxi-brousse nody teto an-drenivohitra omaly Alatsinain’ny Pentekosta. Nisy ireo nanararaotra nampiakatra saran-dalana noho izany raha tsy nisy sahy nampiakatra kosa ireo nitatitra nidina niazo an’Antsirabe.
Pati
Legende : Sahirana ny olona, tsy nisy nahavita nivoaka ny faritra intsony tamin’ny fety !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT