TAXI-BROUSSE NIVADIKA

Olona 03 naratra mafy, zazavavy kely ny iray


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray 8 km atsimon’i Beroboka Atsimo,

ny faran’ny herinandro teo.Taxi brousse iray mampitohy an'i Belo /Tsiribihiana sy Morondava no nivadika tampoka noho ny antony tsy fantatra. Olona miisa 3 no naratra mafy vokatr’izany ka zazavavy kely iray manodidina ny 06 taona ny iray. Raha araka ny vaovao azo hatrany moa dia efa nanana olana ara-teknika ity fiara nivadika ity. Voalaza ihany koa fa efa reraka ilay mpamily ka na dia niezaka aza dia tsy voatanany intsony ny familiana. Efa manaraka fitsaboana moa ireo olona miisa 3 naratra mafy ireo raha efa eo am-panaovana fanadihadiana kosa ny mpitandro ny filaminana. Tsiahivina fa tokony hisy hatrany ny fanaraha-maso ireny taxi-brousse ireny mialohan’ny hiaingany eo amin’ny tobim-piantsonana iray. Lohalaharana amin’ireny ny tsindry hisatr’ilay fiara, ny entana ho entiny sao mihoatra ny tokony ho izy, ny isan’ireo mpamily raha mihoatra ny 400 km ny lalana haleha, ny taratasin’ny fiara….Betsaka anefa ireo tsy manao izany fa maika ny handeha sy hahazo vola fotsiny antony miteraka ny loza mahatsiravina tahaka izao matetika.
Pati
Legende : Ilay taxi-brousse nivadika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT