Fifamoivoizana

Taxi brousse nivadika Maro ireo tapa-tanana sy tapaka taolan-tratra


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Ampary, distrikan’i Soavinandriana afak’omaly sabotsy.

Taxi brousse iray sprinter feno olona hiakatra ho any Ampefy no nipotsaka tsindry hisatra tampoka ka nivadika ambony ambany. Vokany, olona am-polony no naratra mafy izay marihina fa zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nisy tamin’ireo zaza ireo no koaka be ny tarehiny. Nisy ny voatsindry ny tanany…Ho an’ireo olon-dehibe kosa indray dia maromaro ireo tapa-tanana sy tapaka taolan-tratra ka voatery nalefa notsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Miarinarivo hatramin’ny afak’omaly sabotsy. Misy mihitsy moa ireo fantatra fa mety hakarina etsy amin’ny hopitaly HJRA Anosy noho fahavoazana mafy nahazo azy. Tsiahivina moa fa ny 80%-n’ny loza mitranga tahaka itony dia vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily avokoa. Ao ireo mamo eo am-pamiliana raha misy ihany koa ireo tratry ny torimaso fotsiny. Ny 20% ambiny kosa no avy amin’ny olana ara-teknika mety mahazo ilay fiara ka anisan’ireny ny tsy fanaraha-maso ny kipitsony rehetra momba azy mialohan’ny hiaingana….
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT