Fifamoivoizana

Taxi brousse nirehitra Mpandeha 7 may kila, 19 naratra mafy


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Nifanesisesy ny loza nitranga teto amintsika ny faran’ny herinandro teo.

Taxi brousse iray marika Mercedes 307 mitondra laharana 1850 UD mampitohy an’i Tolagnaro sy Ambovombe Androy (RN13) indray ny sabotsy teo no nirehitra teny am-pandehanana ka mpandeha miisa 07 no may kila forehitra vokatr’izany niaraka tamin’ilay fiara. Noraofina toy ny hena masaka tao anaty fiara mihitsy ny vatan’izy ireo ka avy hatrany dia natao tao anaty lamba fotsy. Miisa 19 kosa ireo naratra mafy ka ny 5 tamin’ireo no manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Amboasary atsimo amin’izao. Ny 5 hafa noentina any Ambovombe Androy raha nalefa vonjimaika any Tôlagnaro ny 9 ambiny. Miankina amin’ilay ratra sy fery nahazo azy ireo mantsy no mantsy nitsinjarana azy. Voatazona sy hanaovana famotorana ao amin'ny gendarimarian’ Amboasary Atsimo noho izany ilay mpamily izay fantatra fa vao 30 taona monja. Vokatry ny olana ara-teknika moa raha araka ny loharanom-baovao azo no nampirehitra ity taxi brousse iray ity saingy ny fanadihadiana hataon’ny manampahefana ihany no tena hamaritra izany. Ny 80%-n’ny loza mitranga tahaka itony moa amin’ny ankapobeny dia vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily avokoa raha vokatry ny olana ara-teknika ny 20%, antony tokony hisian’ny fikojakojana ny fiara sy ny fanaraha-maso izany mialohan’ny hiaingana eny amin’ny tobim-piantsonana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT