Fifamoivoizana

Taxi-brousse nangala-pihinana Fiara 3 nogiazana avy hatrany


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Mpandeha tao anatina taxi-brousse miisa 38 indray no tsy afaka namonjy ny toerana tokony alehany raha saika hivoaka an-tsokosoko ny faritra Analamanga.

 

 

 

 

 

Tra-tehaky ny polisy tetsy Tanjombato tokony ho tamin'ny 05 ora sy 30 minitra hariva ny 02 mey teo ny taxi-brousse miisa telo nitondra azy ireo ka ny roa ho any Fianarantsoa ary ny iray kosa ho any Ihosy. Voatery nogiazana ( Fourrière) avokoa moa ireo taxi-brousse ireo noho ny tsy fanarahan-dalàna nataon'izy ireo. Marihina fa vao ny fiandohan’ny volana mey teo ihany koa ny polisim-pirenena no nahatratra fiara 01 tetsy Ambohimanarina nitondra mpandeha ho any Marovoay izay nivoaka an-tsokosoko ihany koa. Samy tsy nahitana ireo karazana taratasy manamarina ny anton-diany, ny toe-pahasalaman’ireo olona nentiny ary ny manifold nofenoiny moa ireto taxi brousse ireto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT