Fifamoivoizana

Taxi-brousse Misy tsy manana fahazoan-dalana kanefa miasa ihany


  • Alakamisy 10 Jona 2021

Betsaka ireo fiara tsy manana fahazoan-dalana lasa mitrandraka ny lalam-pirenena toy ny RN4 sy ny RN 2

 

 

 

 amin’izao taorian’ny nisokafan’ny fihibohana teto amintsika herinandro mahery izao. Misy ireo mitatitra olona raha misy ihany koa ireo mitatitra entana. Maro dia maro tokoa izy ireny raha araka ny fantatra, antony nanosika ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety n a ny ATT hanao fanentanana sy hampahafantatra izany tamin’ny alalan’ny filohany Reribaky Jeannot.Miantso ireny fiara tsy manara-dalana ireny araka izany ny ATT mba hitandrina fa tsy hitsitsy ireo izay tratrany izy ireo. Ankoatra izay dia miantso ny mpandeha hatrany izy mba hanaiky hisoratra anarana anaty manifold, arahin’ ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny fanaovana aron-tava, ny fanasan-tanana amin’ny savony… hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19.Tsiahivina moa fa loza miisa roa no nitranga tany amin’ny lalam-pirenena faharoa sy fahaefatra tamin’ny zoma lasa teo, fotoana nisokafan’ny fifamoivoizana teto amintsika saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT