Fifamoivoizana

Taxi-brousse miazo an’Itasy Hosaziana izay tratra mampiakatra saran-dalana


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Hosaziana ireo taxi-brousse manararaotra tratra mampiakatra saran-dalana miazo ny Faritra Itasy

 

 

 

Nanatanteraka fivoriana ny talata lasa teo, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana nahitana ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, ny lehiben’ny kaoperativa ao Itasy ary ny tompon’andraikitry ny filaminam-bahoaka any an-toerana Niompana tamin’ny fametrahana ny saran-dalan’ireo « taxi-brousse » miainga avy eto Antananarivo sy mivezivezy ao amin’io faritra io no noresahina tamin’izany. Tapaka nandritra ny fivoriana ary fa 2.000 Ar ny saran-dalana ho an’ireo izay miainga eto Antananarivo hatreo Arivonimamo, ary ireo « taxi-brousse » miainga ao Miarinarivo hatrany Analavory. 3.000 Ar kosa ho an’ireo miainga eo Miarinarivo hatrany Arivonimamo sy ireo miainga ao Analavory hatrany Soavinandriana raha toraka izay ihany koa ny miainga ao Arivonimamo hatrany Miarinarivo. 4.000 Ar indray ho an’i Miarinarivo ka hatrany Imerintsiatosika. 5.000 Ar ny miazo an’ Antananarivo hatreny Miarinarivo. 7.000 Ar miainga eto Antanananrivo hatrany Ampefy Ampary ary 8.000 Ar eto Antananarivo mankany Soavinandriana. Tapaka tao anatin’io fivoriana io moa fa hampidirina « fourrière » avy hatrany ireo fiara minia mampiakatra ny saran-dalana ho fitsinjovana ny mpanjifa

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT