TAXI-BROUSSE AVY ANY ANTSIRABE

Nivadika, mpandeha 20 isa naratra


  • Talata 12 Martsa 2024

Fiara fitateram-bahoaka iray avy Antsirabe hiazo an’Antananarivo omaly

Alatsinainy 11 Martsa no nivadika rehefa nidina ny fidinana misy fiolahana ivelan'ny tanàna.Nidaraboka tamin'ny takibany havia ilay fiara izay fantatra fa vokatry ny fandehanana mafy loatra sy tsy fitandreman'ny mpamily, hoy ny vaovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Efa nalefa haingana namonjy hôpitalyany Antsirabe sy Antanifotsy avokoa moa ireo mpandeha mba hahazo naratra raha tsy nisy kosa ny aina nafoy. Ny tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Antanifotsy no misahana ny fanadihadiana. Tsiahivina moa fa mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Vokatry ny fahasimbana ara-teknika mahazo ny fiara iray ny 80%-n’ny antony mahatonga izany raha vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily kosa ny 20%.
Pati
Legende : Nivadika tahaka izao ilay taxi-brousse !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT