TAXI-BISIKILETA

Sarotra ny hanafoanana azy, hoy ny mpanolon-tsain’ny tanana


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Efa mahatratra 1.000 latsaka ireo taxi-bisikileta miasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina

ankehitriny, mamelona an-kohonana an’arivony ihany koa. Tsy misy toerana izay tsy ahitana azy ireny intsony, izay marihina fa ilain’ny mpanjifa ihany koa indrindra fa amin’ny oran’ny fitohanana hanenjehana fidirana any am-pianarana sy any am-piasana. Sarotra ny hanafoanana azy ireny hoy ny mpanolon-tsain’ny sasany tanana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Ny mety hoy izy ireo dia ny famerana ny toerana hidirany sy ny hiasany. Tsy mety ohatra ny eto an-drenivohitra fa avela hiasa sy hitady vola any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo izy ireo. Ankoatra io moa dia tsara sy mety ihany koa raha hampidirana ao anatin’ny asa maika hanatsarana ny asa fitaterana amin’ny alalan’ny taxi-bisikileta eto amintsika ny fanomezana fiofanana ireo mpamily izany. Mbola betsaka amin’izy ireny mantsy no tsy mahafehy ny lalan’ny fifamoivoizana eto amintsika fa mahay mitondra fotsiny. Tsy vitsy ireo manaotao foana vokatr’izany eny am-pandehanana eny toy ny fisongonana an-kavanana ny fiara miara-dalana amin’izy ireny sy ny kodiaran-droa, ny fandehanana mafy loatra nefa mitondra mpianatra madinika….Andrasana araka izany izay mety ho vokatry ny fivoriana momba ny fandrindrana ny fifamoivoizana tanterahin’ireo mpanolontsaina eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra.
Pati
Legende : Efa miparitaka etsy sy eroa tahaka izao ny taxi-bisikileta !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT