Taxi-bisikileta

Ho ferana ny olona afaka manao azy


  • Talata 13 Mey 2025

Nivory faninefany omaly alahady hatramin’ny niorenany ny 26 aprily teo, tetsy Ampefiloha,

ny koperativa Fi-beka na fivondronan’ireo Taxi-bisikileta eto Antananarivo. Ny koperativa, hoy ny filohan’izy ireo, Rajaonarivelo Ravo, no ahafahana mamondrona sy manaja ny fifamoivoizana ho an’ireo mpampiasa taxi-bisikileta eto Antananarivo. Tsy mahafantatra ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eto Antananarivo, hoy izy, ny ankamaroan’izy ireo. Mamelom-bady aman-janaka sy mitady ny ho haniny isan’andro nefa ireo amin’ny alalan’ny fanaovany an’io Taksy bisikileta io. Mitsangana ny koperativa hizara karatra na «badge», aron’akanjo na «gilet», «matricule» na famantarana manokana ihany koa ahafahan’izy ireo miditra ao anatin’ny ara-dalàna. Efa nampanantena ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra fa ho ampidirina anatin’ny ara-dalàna ny taksy bisikileta miasa eto Antananarivo manokana. Mampirisika izany hatrany ny koperativa ary mampahatsiahy rahateo ihany koa satria izay no handrandrainay taxi-bisikileta dia ny hidirana anatin’ny ara-dalàna. Raha Atsimondrano hatrany Avaradrano, boriboritany voalohany hatramin’ny faha 6, dia miisa 2000 latsaka kely eo ireo manao taxi-bisikileta saingy 400 mahery kely hatreto ny mpikamban’ny koperativa. Ampirisihina, noho izany, ny rehetra hiditra anaty koperativa mba hanatsaràna ilay fihariana. Izay tsy vonona hiditra anatin’izany moa dia sokajianay ho tsy vonona hanao ilay asa fa hangalatra, hanao ratsy, hisoloky, hanendaka no tena heritreretany. Ny koperativa dia hiara-hiasa amin’ny tomponandraikitra, hanara-maso hoe ireto no tena vonona hanao ilay asa, hoy hatrany ny tenany. Namafisin’ny mpanolontsaina, Rakotonirina Miandrisoa Elia Fabrice, fa fanamafisana ny fanentanana ny rehetra hiditra anatin’izay sehatry ny ara-dalàna izay iny omaly iny. Efa misy ny mpampianatra momba ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, hoy ny fanazavàna, ary misy koa ny sampam-panjakàna heverina fa afaka hampanao fanadinana azy ireo, izany hoe ho ferana ny olona afaka manao izay taxi-bisikileta izay.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT