TAXI-BISIKILETA ETO AN-DRENIVOHITRA

Manampy trotraka ny fikorontanana efa misy…


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Anisan’ny fitaovam-pitaterana tena mahazo vahana ny taxi-bisikileta eto amintsika izay mitatitra

olona manodidina an’Analakely sy mivoaka mankany amin’iny distrikan’ Atsimondrano iny. Raha tsiahivina kely dia Raim-pianakaviana leo ny fitazonana angady isan’andro any ambanivohitra ireo tonga manao taxi-bisikileta eto amintsika ireo saingy mahay mitondra bisikileta kosa. Ny olana anefa dia lasa manelingelina tanteraka ny fifamoivoizana sy ny fiaraha-monina eto amintsika ny fisian’izy ireny. Voakasik’izany manokana ny eny amin’ny toerana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Izay toerana malalaka kely dia feno azy ireny ka 10 lahy izy ireo no indray miaraka raha kely. Tsy lazaina intsony ny eny amin’ny tobim-piantsonana maro samihafa eny. Manomboka eny Ampitatafika no ahitana taratra izany ka hatreny Anosy. Ankoatra izay dia tsy manaiky izy ireo fa mifaninana amin’ny moto sy ny fiara rehefa mandeha ka atahorana mafy ny lozam-pifamoivoizana. Antso avo araka izany no hatao amin’ny tompon’andraikitra mba handamina azy ireny. Toraka izany ihany koa ny tokony hanomezana fiofanana ireo mpitondra taxi-bisikileta isanisany hahafahany mifehy ny lalan’ny fifamoivoizana sy hanajany ny hafa hisorohana ny tsy fanarahan-dalana sy ny loza mety hitranga.
Pati
Legende : Tsy misy hilihina intsony ny sisin’arabe eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’ny hafitsoky ny taxi-bisikileta !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT