Mikaikaika fatratra ireo mpanjifa ny zotram-pitaterana 154 izay miainga etsy Amboditsiry satria dia manodidina ny amin’ny 4 ora sasany hariva eo dia efa mijanona tsy mitondra mpandeha intsony ity zotra maro lalana ity.
Misy amin’izy ireo moa ny mihazo an’Avaradoha, Ankadimbahoaka hatrany Tanjombato. Ny sasany mizotra any Analakely sy Fasan’ny Karana any, arakaraky ny takelaka eo aloha eo na 154 B na C. Raha samy fiara fitateram-bahoaka eny amin’ity faritra ity dia ity zotra ity no saika ahenoana fitarainana efa ho isan’andro avy amin’ireo mpanjifa, indrindra, tao anatin’izao ahamehana izao noho io fanaovany izay saim-patany io. Ny tsy fampiasana ireo akora fanasan-tanana tokony hisitrahan’ny mpanjifa noho ny toe-draharaha misy moa efa tsy hita intsony izay ilazana azy fa na ianao mangataka vao mahazo na tena tsy ahitana mihitsy ao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.