Fifamoivoizana

Taxi-be tsy mety miasa “Manana ny safidiny izy ireo” hoy ny UCTS


  • Alakamisy 23 Aprily 2020

Ny talata teo dia maro ireo tomponà fiara fitateram-bahoaka no nitaraina fa tsy handray ny asa izy ireo raha tsy tonga ny fanampiana ho an` ireo mpamiliny sy reseverany.

 

 Omaly dia ampahany maro tamin` ireo fiara fitaterana eo amin` ny zotra G, izay mampitohy an`Ambatomirahavavy amin` ny renivohitra, no tsy niasa satria tsy mbola nahazo fanampiana nampanantenain` ny fanjakana ho azy ireo nandritra ny iray volana tsy niasana. Raha ho an` ireo fiara niasa kosa dia saran-dalana tokana 600 ariary ihany ary tsy misy saran-dalana. Etsy ankilany, nilaza ny vondron` ireo kaoperativa manodidina an`Antananarivo Renivohitra (UCTS) fa tsy hifanerena raha te hiasa ireo taxi be na tsia. Manana ny safidiny izy ireo. Raha miandry fanampiana izy ireo dia miandry ny ministera tompon'andraikitra izy ireo. Etsy andaniny kosa, milaza ny ministeran` ny fitaterana fa hisy tombana atao hijerena ny lesoka amin` ity fomba fiasa vaovao ity. Raha ny fanamarihana hatrany dia isaky ny mitatitra olona ireo fiara fitaterana no miatrika ny famendrahana fanafody atao amin`ny fiara amin` izy ireo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT