Raha ela indrindra, herinandro no voahaja ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana rehetra amin’ireo taxi be , fiara fiitateram-bahoaka eto Antananarivo.Inona moa izany ?
Mihosotra « gel » ny olona rehetra miditra ny fiara, manao arotava, manao visière manakona tsara ny orona sy ny vava ny mpamily sy ny resevera, tsy misy olona amin’ny seza afovoany.Efa nivaha ny zava-drehetra ankehitriny, tsy handany andro hiady hevitra hoe iza no taloha ny akoho sa ny atody fa ny tiana hotsindriana mafy dia ny andrakitr’ireo koperativa.Tsy hahavita hanara-maso ny taxi be tsirairay amin’ny zotra urbain sy sub urbain mihitsy kosa aloha ny mpitandro filaminana sy ny ao amin’ny ATT ; fa tsy maintsy mandray andraiikitra ny koperativa isanisany.Ireo no mahalala ny fiara rehetra misoratra ara-dalàna sy miasa ao aminy ; tsy ny fitakiana latsakemboka sy ny fanaovana pontage ihany tsy akory no asan’ny koperativa fa ny fandaminana ny asan’ny fiara rehetra ao aminy sy ny fampanajana ny fitsipika sy lalàna.Ary raha ny tokony ho izy , rehefa voahaja fotsiny ilay bokin’andraikitra (Cahier de charge) dia efa vita amin’ny ampahany betsaka ny fanajana ny fepetra.Fa ny zava-misy dia maro ireo mpamily sy resevera tsy mahalala akory ny lalàna mifehy ny asany fa hoe rehefa mahita vola aloha dia izay.Goavana arak’izany ny andraikitry ny koperativa izay elanelam-panahy eo amin’ny tompon’ny fiara miaraka amin’ny mpamily/resevera sy ny fanjakana.Mazava ho azy raha samy mahatsapa tena fa hanao asa matihanina ny tsirairay , tsy ilaina ny fanarahamaso hentitra sy ny fampatsiahivana isaky ny mihetsika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.