Fifamoivoizana

Taxi Be - Mini Bus Mijanona ho 2 ihany ny mpandeha eo anoloana


  • Alarobia 31 Martsa 2021

Nanamafy ireo fepetra fiarovana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 ho an’ny fiara fitateram-bahoaka rehetra

 

 eto amin’ny faritra Antananarivo sy ny manodidina ny Sampandraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Ho an’ny Taxi Be dia ferana ho 4 isaky ny seza «banquette» ny mpandeha, ary tsy mampiasa “strapontin” ary tsy mitondra mpandeha mitsangana. Ny mpandeha eo aloha kosa dia mijanona ho 2 ihany. Ho an’ny Mini Bus indray dia ferana ho 3 isaky ny seza «banquette» ny mpandeha. Tsy mampiasa seza volamena. Ny mpandeha eo aloha kosa dia mijanona ho 2 ihany. Ho an’ny fiarakaretsaka dia ferana ho 3 ny isan’ny mpandeha azony entina. Nanamafy ny ATT sy ny CUA fa tsy misy fisondrotana ny sarandalana ary miezaka ny mpandeha mba hampiasa vola tsy misy fameriny. Mikasika ny fanaovana «desinfection» indray dia afaka manatona eny amin’ny BMH Isotry ireo filohan’ny Kaoperativa «urbaine» maka ny ranom-panafody na mankeny amin’ny coliseum raha tsy manana fandrarahana ; ireo fiaran’ny «suburbaine» kosa dia efa misy ny lamina napetraky ny UCTS sy ny UCTS FA. Entanina ny mpandeha fiara iombonana mba tsy hifindrafindra seza rehefa tafiditra ao anaty fiara. Etsy ankilany dia entanina ihany koa ny fiaran’olontsotra rehetra mba hanaja hatrany ny elanelana 1 metatra amin’ireo mpandeha ao anatiny.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT