Fifamoivoizana

Taxi be Maro ireo tsy manana "gel" intsony


  • Talata 05 Mey 2020

Ankoatra ny fanaovana arotava dia anisan’ny paikady hampiasain’ny fanjakana amin’izao hahafahana miady amin’ny fiparitahan’ny COVID 19 ny fanosorana gel amin’ny tanana hamonoana ny bibikely sy mikraoba.

 

 

 

Ny nahavariana anefa dia nisy tamin’ireo taxi- be sahady no tsy manana izany omaly Alatsinainy, fiandohan’ny herinandro. Ao anaty taxi-be anefa no tena atahorana ilay cas contact izay nampitombo isa ireo olona marary teto Antananarivo tamin’ny faran’ny herinandro teo. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : ny tahiry mihitsy ve no lany sa tsy nisy ny fizarana tamin’ny faran’ny herinandro ? Raha tsiahivina anefa dia isaky ny mamendraka ranom-panafody ny fiara ny mpamily sy ny mpanampy azy isan’andro dia tokony hahazo ireny gel fanosotra amin’ny tanana ireny ihany koa. Ary raha sanatria ka lany marina ve ny tahiry dia tsy afaka hitady hevitra ny koperativa fa tsy maintsy hiandry ny Fitondram-panjakana ? Adidy iraisana mantsy ny fandresena ny COVID 19 ka tokony samy handray fepetra ny tsirairay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT