Fifamoivoizana

Taxi be Maro ireo efa manao taingim-be


  • Talata 05 Aprily 2022

Efa tena maro ireo taxi be eto Antananarivo sy ny manodidina no iverina amin’ny fanaovana taingim-be indray.Tsy 4 intsony ny amin’ny seza fa lasa 5 milahatra, i

zany hoe misy ilay seza eo afovoany.Misy taxi be sasany aza dia efa sahy mitondra mpandeha mitsangana mihitsy.Amin’ny fotoana maha be olona , ny maraina amin’ny 6 ka hatramin’ny 7 ora sy sasany eo sy ny hariva manomboka amin’ny 5 ora sy sasany no tena ahitana io resaka taingim-be io. Marina fa hoe efa latsaka ambany be ny tarehimarika momba ny valanaretina Coronavirus eto Madagasikara, saingy mbola eto ny aretina hoy ireo mpitsabo, izany hoe mbola tsara sy fahendrena ny mitandrina.Ny fanjakana rahateo tsy mbola nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa hoe tapitra hatreo ny fahamailoana ara-pahasalaana izay nandimby ny fahamehana ara-pahasalamana.Ny dikan’izay dia mbola manan-kery avokoa ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra tahaka ny fanaovana aro vava orona sy fampiasana gel hydroalcoolique na fanasana rano amin’ny savony , fa anisan’izany ihany koa ny toerana olona 4 milahatra ihany ao anaty fiara fitateram-bahoaka, izay toerana mihiboka mety amina fotoana mmaharitra ka izany hoe manafaingana ny mety ho fiparitahan’ny aretina raha sanatria ka misy olona tokana monja voa ao. Misy fotoana manara-maso sy manasazy ihany ireo polisy misahana ny fifamoivoizana fa , misy fotoana ihany koa na tsy eo, na tsy mahatsikaritra ny taingim-be angamba izy ireo koa dia manara-po ireo taxi be.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT